- Publicité -
dimanche, mai 11, 2025
AccueilFaits-DiversNosy Be : Mpitsoa-ponenana 23 isa ho any Mayotte voasambotra

Nosy Be : Mpitsoa-ponenana 23 isa ho any Mayotte voasambotra

Mbola nahitàna rongony sy toaka gasy koa ny entan’izy ireo.

Mpifindra monina izy ireo saingy rehefa tsisy taratasy ara-dalàna momba izany dia miova ho mpandeha an-tsokosoko izany. Miisa 23 ireo olona izay nosamborina tao Nosy-Be raha saika ho any Mayotte. Nandeha ireny sambokely haingam-pandeha ireny izy ireo ary niainga ny alin’ny alatsinainy. Vao tsy lasa akory anefa dia tra-tehaky ny zandary tao an-toerana. Isan’ny sarona niaraka tamin’ireo olona ny rongony valo gony, lasantsy 30 bidon ary koa toaka gasy amin’ny tavoahangy marobe. Misy amin’izy ireo no avy any Toliara, Mandritsara, Antsohihy, Ambanja ary koa Nosy-Be. Napetraka tao amin’ny hotely iray tao an-toerana izy ireo mba hiandry ny fandehanana. Naharitra anefa izany ka nisy tamin’ireo no nanomboka lany vatsy. Amin’ny tranga toa izao, eo ihany ny tsy fanarahan-dalàna ka tsy maintsy anenjehana ny olona. Fa kosa misy zavatra tokony handehanan’ny saina dia ny hoe : betsaka ny olona no efa mitsoa-ponenana eto amin’ny Nosy. Mety ho samy manana ny fanazavany. 

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici