Voatery nentina faran’izay haingana teny amin’ny toeram-pitsaboana, tao amin’ny clinique Santa Maria ilay teratany frantsay. Nisy nandroba tao amin’ny trano nitoerany nandritra ny fizahan-tany nataony tao Nosy-Be. Tao Amporaka, ny alin’ny alatsinainy teo amin’ny, manodidina ny amin’ny folo ora, no nisy niditra an-keriny tao aminy. Nisy mpiambina anefa tao ary mba niezaka niaro ny tanàna ihany io farany. Saingy tsindrona antsy no setrin’izany. Naratra mafy koa io lehilahy io. Taorian’izay dia niditra tao an-trano tamain’izay ireo olon-dratsy ary mbola nampiasa ny zava-maranitra teny aminy hatrany. Lasany ny vola mitentina sivy tapitrisa ariary tamin’ity fanafihana ity ary naratra mafy araka izay voalaza etsy ambony ilay teratany vahiny izay fizahan-tany no antony nandehanany tao Nosy-Be. Noraofin’ireo olon-dratsy ihany koa izay kojakoja mora nobataina tao amin’ilay efitrano nisy azy. Noraisin’ny polisy ao an-toerana ny fanadihadiana ity herisetra nifangaro fanafihana ity. Manimba faran’izay haingana ny lazan’ny fizahan-tany eto amintsika ny toe-javatra toy izao, satria tsy maintsy hizara izay nanjo azy amin’ny olom-patany ilay vazaha. Manampy izany koa ny fisian’ny tambajotra sosialy faran’izay haingana manaparitaka ny zava-misy. Ary misy mihitsy aza ny rohy amin’ny aterineto izay mijirika ny toe-javatra ohatra an’izany ary mampitandrina avy hatrany ny mpizahatany mba hiova toerana. Tsy vitsy ny manajanona tampoka ny fandehanany aty amintsika rehefa misy ny asaratsy mahakasika ny mpizahatany, ary dia tatazan’ny nosy rahavavy fotsiny avy eo ireompizahatany maro. Tsiahivina fa mbola io sehatra io hatreto no mampidi-bola betsaka indrindra ho an’ny firenana, ary mamelona olona marobe sy ny mpikirakirany asa fizahan-tany : hotely, fampanofana fiara, asa-tànana, fifamoivoizana an-habakabaka, sy ny maro hafa tsy voatanisa. Ankoatra ny tontolo politika tsy milamina sy miteraka korontana, ny endrika tsy fandriam-pahalemana toy izao dia mampitsoaka avy hatrany ny vola tokony hiditra amin’ny firenena. Indrindra fa any amin’ny toerana tena mahaliana ny mpizahatany toa an’i Nosy-Be.
D.R