- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversNosy-Be : Naiditra am-ponja ny folo tamin’ireo mpiondrana an-tsokosoko

Nosy-Be : Naiditra am-ponja ny folo tamin’ireo mpiondrana an-tsokosoko

Ny alatsinainy lasa teo no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana tao Nosy-Be, ireo olona tra-tehaka, saika handeha hiondrana an-tsokosoko atsy Mayotte. Fantatra tamin’izany, araka ny fampitam-baovao azo, fa ny 10 tamin’izy ireo no naiditra am-ponja vonjimaika, ao amin’ny fonjan’i Nosy-Be, ny roa kosa arahi-maso ara-pitsaràna. Mbola misy dimy amin’izy ireo no ambenana sy manaraka fitsaboana eny anivon’ny hôpitaly, mandra-piandry indray izay fampiakarana azy ireo eo anivon’ny Fampanoavana ihany. Marihina fa fiondranana an-tsokosoko sy vono olona tsy fanahy iniana no anenjehana ireto olona ireto, araka ny lalàna.

Raha tsiahivina ny zava-nisy, ny voalohan’ny volana teo no nisy nampandre ireo tompon’andraikitra misahana ny fiarovana ny sisin-dranomasina, mahakasika ny fisian’ny sambo kely atopatopan’onja eny am-povoan-dranomasina any amin’ny 30 « nautique » na manodidina ny 55,56 kilaometatra miala ny Nosy Iranja. Novonjena malaky izany sambo izany ary hita sy tsikaritr’ireo tompon’andraikitra fa maty môtera teny an-dalana. Araka ny filazan’ireo olona tao anatiny, dia nikasa ny handeha ho any Mayotte izy io ary niala tao Nosy Be ny 23 oktobra lasa teo. Andro vitsy taorian’io anefa no nisy olana ara-teknika ilay sambo. Mpandeha 20 teo no niala tany an-toerana, raha ny voalaza hatrany kanefa tsy nisy afa-tsy 17  sisa izy ireo no velona ary avotra soa aman-tsara. Telo tamin’izy ireo no efa namoy ny ainy, ankizy kely roa, izay efa natsipy tany an-dranomasina ary vehivavy lehibe ny iray. Marihana fa nisy teratany vahiny tao anatin’ireto mpiondrana ireto. Rehefa tonga soa aman-tsara an-tanety moa ireto olona dia novonjena avy hatrany tany amin’ny toeram-pitsaboana ireo izay nila izany. Ny hafa kosa, nentina natao andrimaso sy fanadihadiana, ary dia io natolotra ny Fampanoavana io, ankoatra ireo mbola eo an-dalam-pitsaboana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici