Tsy fanajàna olona, fanamparam-pahefana ary fampitahorana. Izany no nitranga teny ambony ranomasina omaly ary teo imason’ny mpandeha rehetra tamin’ireny vedety rapida ireny, isan’izany ny vazaha mpizaha tany maro. « Miaramila izay miandraikitra ny fanaraha-maso ny sisin-dranomasina no tompon’andraikitra. Vao niala 500 metatra ny seranan’i Nosy-Be izahay raha saika hihazo an’Ankify no nosakanan’izy ireo. Samy nakanaka sary daholo ny mpandeha ary tsy voatery ho izy ireo no nalaina. Eny ambony ranomasina rahateo no sady mizaha tany ny olona ka rariny loatra raha maka sary. » raha araka ny fitantaran’ny Filoha lefitry ny holafitry ny mpanao gazety ao Antsiranana. « Rehefa naka sisiny izahay dia tsy ny taratasin’ny sambo akory na ny mpandeha no nosavaina fa ny fakan-tsary sy ny telefaonina ary ny tablette no nasain’ireo miaramila homena azy », hoy ihany ny fitantarany. Gaga ny mpandeha ary nifanontany tena ny mpizaha tany hoe inona ny heloka vitany. Tsy nisy nety nanome ny fananany ny olona satria tsy nazava ny tian’ireo miaramila hahatongavana. Rehefa izany dia ny an’ilay mpanao gazety no noteren’izy ireo nalaina (fakan-tsary lehibe). Raikitra ny fifamaliana ary nisy ny baiko ny hisamborana azy ka hampiakarina ao amin’ny sambon’ny miaramila. Nanazava ilay mpanao gazety fa tsy zon’izy ireo izany satria toerana handehanan’ny besinimaro (endroit public) no nangalany sary ary manaraka izany ihany koa, tsy misy soratra na fandraràna fakana sary tamin’ilay sambo. Rehefa tsy hitan’izy ireo izay fomba hitazomana io farany dia ny sambo no nogafiana nasaina niverina eny amin’ny seranana. Raikitra sahady ny fanamparam-pahefana amin’ity sambo kely nomen’ny Amerikana ity ary notokonanan’ny Filoham-pirenena raha hiverenana kely, volana vitsivitsy lasa izay. Handrasana ny fandraisana andraikitry ny minisiteran’ny fiarovana.
D.R