- Publicité SW45 -
vendredi, octobre 18, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversNosy Be : Olona 27 nikasa ny hiondrana an-tsokosoko any Mayotte

Nosy Be : Olona 27 nikasa ny hiondrana an-tsokosoko any Mayotte

Ilay vedety nokasain’ireto mpiondrana an-tsokosoko nisedrana ny lakandranon’i Mozambika.

Nilaza mazava ireto olona ireto fa efa niomana ny hisedra ranomasina sy hiondrana avy hatrany atsy amin’ny nosy rahavavy Mayotte. Lehilahy sy vehivavy, ary renim-pianakaviana omban-janaka ireto tra-tehaka teo amin’ny torapasik’i Dzamanjary, Nosy Be ireto ny alatsinainy lasa teo.

Ny alin’ny alatsinainy lasa teo, rehefa nahazo antso avy amin’ny mponina tao Nosy Be ireo mpitandro filaminana amin’ny fisiana andian’olona mivorivory, mampiahiahy,  teo amin’ny toerana antsoina hoe Cratère, Nosy Be dia nidina avy hatrany teny an-toerana nijery ny zava-nisy. Voalaza fa nikasa ny hiondrana an-tsokosoko ho atsy Mayotte izy ireo. Tokony ho tamin’ny sivy ora alina tany ho any tokoa, no indreo hita tao anaty maizina ireto andian’olona ireto, izay natonina sy nosavaina avy hatrany. Nahatratra hatrany amin’ny 27 tany ho any ny isan’izy ireo, izay tatsambo ny roa, ankizikely ny enina ary nisy vehivavy bevohoka iray.

Tsy mbola fantatra mazava ny momba azy ireo, ka nentina avy hatrany nihazo ny biraon’ny vondron-tobim-paritry ny zandary tao Nosy Be avy hatrany. Tamin’ny fisavàna ny teo an-toerana ihany koa no voalaza fa nahitàna botry izay nitondra ireto olona ireto ary vedety iray, niaraka tamin’ny “jerricane” maromaro feno lasantsy sy entana maro isan-karazany. Nogiazana avy hatrany moa izany fitaovana izany. Ny fanadihadiana savaranonando nataon’ireo tompon’andraikitra tokoa no nilazan’ireto andian’olona ireto sy niaiken’izy ireo fa niomana ny handeha ho any Mayotte izy ireo. Notanana natao andrimaso ho amin’ny famotorana avy hatrany moa ireto olona am-polony maro ireto. Efa eny am-pelatanan’ireo zandary araka izany ny raharaha ary efa mandeha ny fanadihadiana rehetra entina hikarohana indray izay atidoha ao ambadik’izao trafika izao. Tsara marihina tokoa fa efa maromaro ihany izay tratra izay, ary efa betsaka ireo nampidirina am-ponja noho ity resaka fiondranana an-tsokosoko ho atsy Mayotte ity, kanefa dia mbola misy hatrany ireo manao izany.

m.L

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici