- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversNosy Be : Olona 33 saika hiondrana an-tsokosoko any Mayotte

Nosy Be : Olona 33 saika hiondrana an-tsokosoko any Mayotte

Sambo iray nitondra mpandeha an-tsokosoko indray no tra-tehaky ny Tafika an-dranomasina mpiandry sisin-tany. Nitondra olona niainga avy tao Nosy-Be izy ireo ary saika handeha hiondrana any Mayotte.

Makarakara loatra ny sisin-tany eto Madagasikara ! Hany ka ireo izay te hiditra dia miditra ary izay te hivoaka dia lasa mivoaka. Izay toe-javatra izay, izay efa tsapan’ny fitondram-panjakana fa nitera-doza ary efa nolazain’ny Filoham-pirenena fa anisan’ny nampiditra ilay aretina «Covid-19 variant» avy atsy Afrika Atsimo, no anisan’ny nanetsehana ny teo anivon’ny Foloalindahy, indrindra fa ny teo anivon’ny Tafika an-dranomasina, hiaro amin’ny fomba rehetra ny sisin-tany. Indrindra moa ny any amin’iny tapany avaratry ny Nosy iny.

Ankoatra ireo teratany vahiny miisa telo, saika hiditra an-tsokosoko teto amintsika, herinandro vitsivitsy izay, dia fantatra izao fa mpandeha am-polony maro indray, teo amin’ny 33 teo, araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena, no saika handeha hiondrana an-tsambokely, ho any amin’ny Nosy Mayotte ary tra-tehaky ny Tafika an-dranomasina izy ireo ny alakamisy lasa teo, tao amin’ny fari-dranomasin’i Nosy Be. Saika hanatanteraka fiondranana tsy ara-dalàna ireto olona ireo, raha ny fizaram-baovao azo hatrany. Nogiazana avy hatrany moa ity sambokely ity ary nentina niverina nihazo ny sisin-tany ireto olona tratra ireto, niaraka tamin’ireo mpanamory ity fitaovam-pitaterana ity. Efa natolotra ny zandary any an-toerana izay tompon’andraikitra amin’ny fanadihadiana sy famotorana moa izy ireo.

Toeram-pilalaovan’ireo olon-dratsy, mpiray tambajotra ao anatin’ny fanondranana sy fampidirina olona an-tsokosoko any amin’ireo Nosy raharavavy tokoa, raha iny tapany Avaratra andrefan’ny Nosy iny. Miara-mahatadidy tokoa ny rehetra tamin’ny fanamborana ireo kaomorianina telolahy voasambotry ny miaramila hatrany tany amin’iny tapany Avaratra iny. Kaomorianina izay nilaza fa mpanjono kanefa, rehefa natao ny fisavàna dia tsy nahitàna taratasy milaza izany, ankoatra ny iray tamin’izy ireo, saingy efa lany andro ihany koa. Noahiahiana ho ao anatin’izany tambajotra izany izy ireo ary efa nosamborina sy natolotra ny tompon’andraikitra mahefa amin’izany, ho amin’ny fanadihadiana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici