Fikasana hanondrana zava-mahadomelina no anton’ny fisamborana. Ny pôlisy miandraikitra ny fiarovana ny sisin-tany sy ny habakabala (PAF) no nanao izany. Ny sabotsy teo izy ireo no nigadona teo amin’ny seranan-tsambon’ny tanàna ary nilaza fa hody ny alahady ihany. Izay dia efa nanintona ny sain’ireo mpitandro ny filaminana satria vitsy ihany ny teratany vahiny izay mijanona indray andro ao Nosy-Be izany. Nanomboka teo ary dia efa nandefasa mpitsikilo ireto Seychellois ireto. Tao anaty trano fisotroana iray tao an-toerana no fantatra ny tena anton-dian’izy ireo rehefa narahi-maso. Nividy menaka rongony marihitra, fantatry ny mpivarotra sy mpanjifa amin’ny anarana hoe “goudron” izy efatra. Tsy nidoroka izany teo izy ireo ary tsy nokasihany akory aza ilay zava-mahadomelina fa kosa nampirimina avy hatrany ary saika nentina nivoaka. Teo no natao ny fisamborana izay nataon’ny pôlisy mirongo basy. Tsy namaly ireo vahiny efatra, raha araka ny tatitry ny mpitandro ny filaminana. Nivoaka nandritry ny famotorana azy ireo fa saika haondrana any Seychelle ireo zava-mahadomelina ireo. Manodidina ny 800 euros na 2.400.000 Ariary ny vola azony amin’ny varo-maizina indray mandeha. Io menaka iray litatra sy sasany io anefa dia mety mahavita marobe ary mazava hoazy fa hahazoan’ireo mpanodrana volabe. Notanana ary nanokafana fanadihadiana avy hatrany ireo kreola efa-dahy.
D.R