- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversNosy be : Vazaha italiana, nahatrarana vola sandoka mitentina 2.565.000Ariary sy 1.830...

Nosy be : Vazaha italiana, nahatrarana vola sandoka mitentina 2.565.000Ariary sy 1.830 €

Lehilahy iray teratany italiana tokony ho 30 taona eo, mpanamboatra sy mpanaparitaka vola sandoka no tra-tehaky ny Polisy tany Nosy-be, izay nahatrarana vola sandoka mitentina 2.565.000 Ariary, izany hoe : ravim-bola iray alina ariary miisa 252 sy 5 000 ariary 13 isa, izay mitovy daholo ny laharany. Rehefa nosavaina ny tranon’ity vazaha ity, dia mbola nahitana vola vahiny sandoka 1.830 € (ravi-bola 50€ miisa 34, ravi-bola 20€ 4  isa,  ary 10 isa amin’ny 10€). Mbola tratra tao an-tranon’ ity italiana lany “visa” efa ho herintaona tsy manana fahazoan-dàlana honina sy hipetraka eto Madagasikara ity avokoa ireo fitaovana rehetra fanaovana vola sandoka, raha ny tati-baovaon’ny mpitandro filaminana avy any an-toerana. Vokatry ny fiaraha-miasa noho ny fanomezam-baovao marim-pototra avy amin’ny olon-tsotra tsara sitrapo no nahazoana izao vokatra izao, hoy ny kaomisera Joely Rabearivony. Raha ny fantatra, dia nividy zavatra tao Bazariben’i Hell-ville ity teratany vahiny ity no saron’ny mpivarotra maromaro, fa vola sandoka nomeny. Niantso avy hatrany ny mpitandro filaminana ireo lasibatra, ka rehefa nosavaina ity vazaha ity, dia hita tao anaty kitapo nobabeny ny vola sandoka maromaro. Avy eo nitohy tany an-tranony ny fisavana. Taorian’ny fanadihadiana lalina nataon’ny mpitandro filaminana azy, dia natolotra ny fampanoavana omaly ity teratany vahiny mpibizina vola sandoka ity. 

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici