- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversNosy Be : Zazavavy 13 taona naolana in-telo, bevohoka enim-bolana

Nosy Be : Zazavavy 13 taona naolana in-telo, bevohoka enim-bolana

Sazy mihatra 2 taona an-tranomaizina sy onitra 4 tapitrisa ariary, no sazy nomen’ny tribonaly ambaratonga voalohany ao Nosy Be, ny lehilahy iray nanolana zazavavy 13 taona sy ny vehivavy mpiray tsikombakomba taminy. Natao ny talata lasa teo ny fitsarana ny raharaha, raha ny fiandohan’ ny volana aogositra tamin’ny taon-dasa  no nisehoan’ilay fanolanana in-telo nisesy. Araka ny vaovao voaray, dia mpinamana akaiky nifampitondra toy ny mpiray tampo ny renin’ilay zazavavy voaolana sy ilay ramatoa voaheloka ho mpiray tsikombakomba. Natoky azy ny renin’ilay zaza ary tsy nisalasala nandefa ny zanany natory tany amin’ilay namany, rehefa nangataka ity farany fa mangina. Nony tonga tao an-trano izy ireo, dia efa tao ilay lehilahy. Niara-natory tao anaty efitra iray izy telo, ka nanamparan’ilay lehilahy ny filàn-dratsiny ity zazavavy 13 taona. Nofatorany ny tanany sady notapenany koa ny vavany. Maraina ny andro dia noferan’ilay ramatoa tsy hitantara ny nanjo azy tamin’ny reniny razazavavy, ary nampanantenaina volabe, nefa tsy nisy akory izany, fa ny kibony nibontsina no nanaitra ny renin’ilay zaza voaolana, ka vaky am-batolampy ny asa maloto.

Eric Manitrisa   

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici