
Hita faty teo ambony fandriana ny razana, tao amin’ny trano iray ao amin’ny kartie Mahatma Gandhi Road, Fonds du Sac. Ny polisy nanokatra fanadihadiana dia nahita tavoahangy nisy poizina izay nipetraka tsy lavitra ilay faty. Rehefa natao ny fitsirihana ny tao anaty taovan’ny maty dia voaporofo fa poizina mahery vaika tokoa no nahafaty ilay lehilahy. Io farany dia tonga tao amin’ny Nosy Maurice nanomboka ny taona 2019 ary nanorim-ponenana tany no sady miasa ao an-toerana rahateo. Raha ny fijerin’ny mpanao fanadihadiana azy dia nopoizinina izy ary izay no nitarika ny fahafatesany. Mody napetraka teo akaikiny ny tavoahangy nisy ny poizina ambiny mba hieritreretana fa namono tena izy. Maro ny Malagasy any an-toerana no efa samy mailomailo ary tsy mifampatoky ary tsy mifampiditra an-trano. Misy ny manazava fa betsaka ny mifampialona amin’ny fiainana ary mety mahavita zava-dratsy. Mety ho izay ve no nanjo ity lehilahy ity? Misy fanadihadiana misokatra any an-toerana ary betsaka ny miandrandra ny mba hivoahan’ny marina momba ity raharaha ity.
D.R