
Lozam-pifamoivoizana no nitranga saingy nahafaty olona. Nifaoka olona nandeha moto ireo olona roa nandeha fiara teo amin’ny toerana antsoina hie Khoyratty, ao amin’ny nosy Maurice, ny maraim-ben’ny alakamisy teo. Nitsoaka ny tompon’andraikitra ary navelany teo ilay olona naratra be izay namoy ny ainy nony avy eo. Nanokatra fanadihadiana avy hatrany ny polisy tao an-toerana ary ny andron’iny ihany dia nihazakazaka ny fikarohana. Hita tamin’izany fa narian’ireo olona roa teo amin’ny toerana antsoina hoe Vallée des prêtres ny fiara. Rehefa nohamarinina ny momba ny fiara dia fantatra fa nofaina izy io ary teo koa no nahafantarana ny momba ireo Malagasy roa izay nampiasa izany. Miasa amin’ny orinasa misahana indostria lehibe ao an-toerana izy ireo. Ny andron’iny alakamisy iny ihany dia voamarina fa nividy tapakilam-piaramanidina nihazo an’i Madagasikara ireo olona. Tamin’ny fotoana nigadonan’ireo mpitandro ny filaminana teny amin’ny seranam-piaramanidina dia efa lasa ny zotra nihazo an’Antananarivo. Nilaza ny polisy ao Maurice izay nandray an-tànana ny fanadihadiana fa hangataka fiaraha-miasa amin’ny Interpol sy ny ambasadin’i Madagasikara ao amin’ny nosy Maurice. Izany dia mba hamerenana ireo nahavanon-doza ao an-toerana ka hitsaràna azy ireo momba ity lozam-pifamoivoizana nivadika heloka bevava ity rehefa nisy ny fitsoahana.
D.R