- Publicité -
jeudi, octobre 2, 2025
AccueilFaits-DiversNosy Maurice : Vehivavy gasy tratra nitondra rongony

Nosy Maurice : Vehivavy gasy tratra nitondra rongony

Tsara afina fa tratra ihany. Efa mafy ny teknolojia ampiasain’ny olona. Tao amin’ny seranam-piaramanidin’ny Nosy Maurice no sarona ny vehivavy iray nandritry ny fisavàna. Nisy zava-mahadomelina (cannabis) ny entana nentiny, ny sabotsy lasa teo. Nafenina tsara tao anaty zava-maneno ny entana voaràra. Avy eto Antananarivo no niaingainy ary nigadona tao Maurice tamin’ny zotra MK 289. Teo amin’ny fisavàna farany alohan’ny hivoahana ny seranam-piaramanidina no sarona tamin’ny Rayon X ny nafenina. Vao naneno izany dia nosamborin’ny sampana miady amin’ny rongony (Customs Anti-Narcotics Section sy Anti-Drug Smuggling Unit) ilay vehivavy ary nanokafana fanadihadiana. Nosavain’ny ladoany ny entana ary nahitàna rongony raviny milanja 62,4 girama. Ireny fanamafisam-peo kely aza entina mandehandeha ireny no nasiana izany. Tsy misangy ny firenena Maorisiana amin’ny ady amin’ny rongony. Isan’ny mafy indrindra koa ny sazy ara-pitsaràna ao amin’izy ireo momba io lafiny io. Isan’ny firenena kely izy eto amin’ny kaontinanta afrikana saingy isan’ny betsaka mpidoroka koa. Manenjana hatrany izy ireo amin’ny ady amin’ny zava-mahadomelina ary rehefa voafehy ny trafika anatiny dia miditra indray ny famatsiana avy amin’ny firenen-kafa. Isan’ny tena voasava ambony ambany ny teratany Malagasy izay miditra ao aminy satria betsaka no mirisika mitondra zava-mahadolemina mba hamidy ao an-toerana. Tena tsy misangy ny Maorisiana raha sendra tratra ary dia ho taraiky tanteraka ao amin’ny fonjan’izy ireo ny mpamatsy. Mila mieritreritra indroa ihany ireo mikasa hitady amin’ny fanondrànana zava-mahadolemina ao amin’io firenena io.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici