Lehilahy iray, 41 taona, misahana ny asana mpimasy malagasy, no nidoboka any am-ponja any amin’ny Nosy La réuinion, rehefa voalaza fa nanolana tovovavy telo tany an-toerana, raha ny voalazan’ny gazety renioney, JIR. Raha ny vaovao hatrany dia mitsabo amin’ny fomba nentin-drazana ity lehilahy ity, ary tompona « snack-bar » any amin’ny kartié Ravine-Creuse, Saint-André, La Reunion. Nandritra ny fotoana nitsaboany, raha ny voalazan’ny JIR hatrany, no nanararaotany ara-nofo, zazavavy tsy ampy taona roa, -latsaky ny 15 taona ny iray- ary tovovavy iray. Tsy sahy niseho kosa ny iray tamin’ireo voaolana ireo raha tsy ny volana jolay lasa teo, raha ny voalaza hatrany. Raha ny fantatra dia mody mitsabo izao aretina rehetra izao izy. Aorian’ny fombafomba ataony isan-karazany, ka anisan’izany ny fiantsoana ireo fanahin’ireo razambeny, dia nampiharany ny filàny amin’izay ireo andrimbavilanitra ireo. Fomba izay lazainy fa isan’ny tafiditra ao anatin’ny fomba fitsaboany. Nandà hatramin’ny farany izany zavatra nataony izany anefa ity lehilahy ity teo anoloan’ny mpitsara, nefa tsy nahasakana azy tsy hidoboka any am-ponja izany. Fatantra mantsy, raha ny filazan’io gazety any an-toerana io hatrany, fa efa tafakatra amam-polony ny raharaha nampiakatra fitsaràna an’ity mpimasy gasy, manan-janaka 11, tamin’ny vehivavy samihafa ity. Isan’izany ny nahavoarohirohy azy tamina resaka famonoana olona. Fa eo ihany koa ny lozam-pifamoivoizana, izay noho izy no nahatonga ny loza, ka nahafaty tovolahy 26 taona sy nahatonga fahasembanana ara-batana tovovavy iray ny taona 2004.
m.L