- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversNosy Sainte Marie : Lany ny solika, mahatratra 8.000 ariary ny litatra...

Nosy Sainte Marie : Lany ny solika, mahatratra 8.000 ariary ny litatra amin’ireo varo-maizina

Taorian’ny faharatsian’ny andro izay niteraka faharatsian’ny ranomasina ihany koa, dia tsy nisy mpanatitra solika ny toby hany tokana misy ao Sainte-Marie. Vokany, tsy misy solika intsony any an-toerana afa-tsy amin’ireo mpibizina ka tafakatra 8.000 ariary ny litatra nefa mbola tsy maharaka ihany koa izy ireo. Noho izany, dia miakatra ihany koa ny saram-pitaterana any an-toerana, isany fampiasan’ny olona andavanandro mantsy ny Bajaj na Tuc-Tuc, ka tafakatra hatramin’ny 5.000 ariary ny saran-dàlana ho an’ny olona iray izao ao Sainte-Marie. Miala ao Ambodifotatra mihazo an’i La Pointe; izay tena tian’ny mpizahatany aza efa tafakatra 10.000 ariary ny olona iray, nefa amin’ny fotoana ara-dalana dia tsy mihoatra ny 2.000 ariary izany. Hatramin’izao aloha araka ny vaovao voaray avy any an-toerana, dia tsy mbola tonga ny sambo mpamatsy solika ny toby tokana any an-toerana, ka mbola mitohy hatrany ny fahasahiranan’ny mponina. Ankehitriny, dia efa manahy ny ho fatapahan’ny herinaratra noho ity solika ity ny mponina noho ny tsy fisian’ny famatsiana tao ho ao izay, vokatry ny faharatsian’ny andro niteraka ny faharatsian’ny ranomasina…

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici