- Publicité -
vendredi, juin 13, 2025
AccueilFaits-DiversNosy Varika : Andian-jatovo mampihorohoro

Nosy Varika : Andian-jatovo mampihorohoro

Fantatra izao araka ny vaovao voaray avy any Nosy Varika izay nampitain’ny mpitandro filaminana fa, misy andian-jatovo mampihorohoro ny mponina. Eo amin’ny salan-taona 17 ka hatramin’ny 25 taona eo izy ireo. Izay sendra an-dry zalahy, dia mitondra faisana avokoa. Tamin’ny zoma lasa teo, fivarotana roa no voaroba. Miditra ireo jiolahimboto manambana antsy ny tompon’ny tsena, sady maka ny vola rehetra azo. Antsy sy zavatra maranitra hafa no teny amin’izy ireo. Voalaza fa nisy vehivavy iray noratrain’izy ireo. Lasany avokoa ny vola rehetra. Mitaintaina mafy ny mponia, satria zavatra tsy fahita any an-toerana no mahazo azy ireo amin’izao fotoana izao.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser