- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversNosy-Varika : Bois de rose hita tany anaty ranomasina

Nosy-Varika : Bois de rose hita tany anaty ranomasina

Ny alakamisy 13 febroary teo no hitan’ ny olona tany anaty ranomasina tao Nosy-Varika ny “bois de rose”. Bolabolan’  andramena  telo amby dimam-polo no fantatra fa nisy nametraka teo amoron-dranomasina sy tao anaty rano,avy hatrany dia  nandeha ny tatitra momba izany ka ny zandarimaria tany an-toerana no nanao ny fizahana, avy eo dia nampandre ny mpiasan’ ny rano sy ny ala  ary ny Sefo  distrika tany an-toerana, natao ny fivoriana tamin’ izany ka nanapakevitra ny hidina teny an-toerana hizaha ifotony ny toe-draharaha ireo manampahefana isan-tsokajiny. Tsy nisy nahafantra moa na ny tompony na izay toerana saika hamindrana andramena izany, raha ny siosion-dresaka teny dia mety ho saika taomina amin’ ny  baka izy ireo no tsy zaka ,dia izao tavela tao anaty rano izao, efa eo am-panaovana ny famotorana moa amin’ izao fotoana izao ny Borigadin’ ny Zandarimariam-pirenena ao Nosy-Varika.

ALEM

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser