Raim-pianakaviana iray sahabo ho 41 taona eo no hita faty vao maraina, tao amin’ny Fokontany Tsararivotra, ao an-tampon-tanàna Nosy Varika, afak’omaly. Novonoina tamin’ny fomba feno habibiana ity lehilahy ity, satria nokapaina tamin’ny antsibe ny lohany sy teo amin’ny takolany. Raha ny tombatomban’ny mpitsabo nanao fizahana ny razana, dia ny alina ity rangahy ity no nisy namono, ary nariana teo amin’ny làlana tsy lavitra fiangonana iray ny fatiny. Hatreto, tsy fantatra ny/ireo nahavanon-doza, ary mbola an-dàlam-pikarohana ny olon-dratsy amin’izao ny mpitandro filaminana. Araka ny tati-baovao voaray, dia roa andro nialoha izao vono olona nahatsiravina izao no nandao ny ray aman-dreniny ity lehilahy hita faty nihosin-drà ity.
Eric Manitrisa