Nahoraka eraky ny tanàna ny zava-nitranga satria hafahafa tamin’ny olona. Mmpampianatra roa izay samy « maître Fram » no nilatsaham-baratra ary maty tsy tsa-drano. Ny iray ny alatsinainy hariva teo. Avy nampianatra ilay rangahy ary hamonjy fodiana no niharan-doza. Avy ny orana tamin’io fotoana io, raha araka ny fanampim-baovao azo. Tao amin’ny tanàna antsoina hoe Ambodiala, ao amin’ny distrikan’i Nosy Varika, no nitranga ny loza. Ny faharoa indray dia tao amin’ny tanàna antsoina hoe Ambohitrambo, ny talata lasa teo. Tokony ho tamin’ny efatra ora hariva, raha handeha hamonjy fodiana ilay mpampianatra, no nilatsahan’ny varatra. Fanampim-panazavana avy any an-toerana no nahafantarana fa efa teo anoloan’ny trano fonenany ary efa eo am-baravarana no nilatsaka ny varatra ary namono azy. Maty tsy tsa-drano koa. Misy ny olona mahavita milalao varatra any amin’iny faritra iny. Indraindray aza dia mifaninana mihitsy ireo amin’ny fandahatsam-baratra. Alaina ny vatotr’akondro dia iny no andatsahana ny varatra. Misy koa aza ny eny an-tsena mihitsy no misy ny fifaninana indraindray. Sarotra ny manamarina amin’ny tranga fahafatesana toa itony na fifanandrifian-javatra na koa natoraly no niteraka ny filatsaham-baratra teo amin’ireo olona. Na izany aza dia mahalasa saina ihany hoe samy mpampianatra, samy olona hamonjy fodiana ary samy avy nampianatra no niharan-doza. Ho voazavan’ny mpanao fanadihadiana ve ny tena ao ambadik’izany ? Sarotra tanteraka…
D.R