Efa mailo ny mpitandro ny filaminana izay namory maika ny sefo distrika, ny ben’ny tanàna ary ireo ampanjaka tao an-toerana. Izany dia mba hangalàna ny hevitr’ireo. Ny anton’izany dia noho ny fisian’ny fokonolona marobe tonga tao amin’ny biraon’ny zandary ary nilaza ny haka ny olona roa voarohirohy tamin’ny vonoan’olona nitranga tao amin’ny fokontany Fanivelona, ny 15 martsa lasa teo. Nitondra antsy lava sy famaky ary lefona ireo olona an-jatony ary ny hanao fitsaram-bahoaka no tena tanjon’izy ireo. Nanoloana ny zava-nisy sy mba hialàna tamin’ny mety ho rà mandriaka, dia nanapa-kevitra ny lehiben’ny borigady ny hitondra ireo voarohirohy hisintaka teo an-toerana. Saingy mbola vao teo am-pamelomana fiara dia efa feno olona indray teo ary nangataka ny hanomezana azy ireo ny olona voarohirohy tamin’ny vonoan’olona. Niditra an-tsehatra avokoa ny manam-pahefana maro isan’ambaratongany tao an-toerana ary niezaka nandresy lahatra saingy tsy niova tamin’ny heviny ny olona. Ny niafarany dia nasaina nanao taratasy mba ho antoka ireo fokonolona tamin’ny alàlan’ny ray aman-dreny folo mba ho teny ierana ny fiarovana ireo olona voarohirohy. Nivadika tanteraka anefa ny zava-nitranga satria vao tsy lasa lavitra ny tanànan’i Nosy varika akory dia efa maty novonoin’ireo fokonolona ireo roa lahy. Nosokafan’ny zandary ny fanadihadiana rehefa avy nozahan’ny dokotera ny razana. Mazava ho azy fa fitsaram-bahoaka no nitranga ary raràn’ny lalàna manan-kery izay. Hosamborina ary ve ireo olona rehetra izay tonga teo an-toerana, avy any Fanivelona ? Sa kosa ireo izay nanasonia ny antoka ihany no hohadihadiana sy ho tompon’antoka ? Ary ny manam-pahefana izay namela ny olona teo an-tanany ho an’ny fokonolona, izay namono nony avy eo ? Sarotra tanteraka ny fandidiana ny raharaha kanefa raha tsy mandeha amin’ny fampiharana ny lalàna dia mety ho zatra ny lalan-dririnina ny fokonolona ka hahazo vahana tanteraka ny fitsaram-bahoaka.
D.R