Tranga mampihoron-koditra no nitranga tao tamin’ny tananan’i Vohilava, distrikan’i Nosy Varika ny alakamisy lasa teo. Lehilahy iray, raim-pianakaviana, no hita nitsirara tao an-tranony, tao anaty rà mandriaka. Feno ratra ny vatany, ary ny tena mampivarahontsana dia notapahin’ireo izy namono ny lohany. “Natao fanahy iniana norasàina tamin’ny zava-maranitra” ka zara raha hozatra kely sisa no mitana izany, hoy ny vaovao. Ny fokonolona no nahitana ity seho mahatsiravina ity ny alakamisy maraina teo, ary niantso avy hatrany ireo tompon’andraikitra. Marihana fa izy irery no tao an-trano tamin’io fotoana ary voalaza ho nisy zavatra novonjen’ny vady aman-janany. Hatreto, tsy mbola fantatra mazava izay antony nahatonga izao vono olona feno habibiana izao. Efa eo an-dalam-pikarohana izay rahateo ny mpitandro filaminana any an-toerana ao anatin’ny fanokafana ny fanadihadiana, araka ny nambaran’ny Kaomandin’ny tobim-paritry ny zandary any an-toerana.
m.L