- Publicité -
dimanche, juillet 20, 2025
AccueilFaits-DiversNosy-Varika : Resaka fitsaram-bahoaka, ben’ny tanana iray nosamborina

Nosy-Varika : Resaka fitsaram-bahoaka, ben’ny tanana iray nosamborina

Vita ny takarivan’ny sabotsy teo, tao amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany ao Mananjary, ny fampakarana Fampanoavana ny raharaha mahakasika fitsaram-bahoaka tany amin’ny Kaominina ambanivohitr’Ambodilafa, Distrikan’i Nosy-Varika, ka nahafaty tsy tra-drano tamin’ny alalan’ny fitsaram-bahoaka nitranga tao Havohitrandriana, ny 31 Janoary lasa teo, ary nahafaty tsy tra-drano notetitetehan’ olona tamin’ny antsibe ny jiolahy iray voasambotra tamin’ireo dimy nitam-piadiana nanafika mpivarotra iray tao Ambodilafa, ny alin’ny 27 Janoary, izay nahaverezana vola 3,4 tapitrisa Ariary sy nahafaty ny zanaky ny tompon-trano tamin’ity fanafihana ity. Taorian’ity fitsaram-bahoaka nampisy resabe ity, dia nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao Mananjary ny Ben’ny tanànan’ Ambodilafa niaraka tamin’ny olona maromaro, ny 08 Febroary lasa teo. Rehefa natolotra ny Fampanoavana ireo voarohirohy, afak’omaly, dia telo lahy no naiditra am-ponja vonjimaika, raha noafahan’ny fitsarana kosa Ingahy Ben’ny tanàna izay narary mafy.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici