- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversNosy Varika : Roalahy noahiahiana ho nandoro trano, maty novonoin’ny fokonolona

Nosy Varika : Roalahy noahiahiana ho nandoro trano, maty novonoin’ny fokonolona

Fitsaram-bahaoka iray hafa koa ! Tany amin’iny ilany Atsinanana iny hatrany, tao amin’ny distrika Nosy Varika. Roalahy izay voalaza fa mpangalatra sy mpandoro trano no niharan’ny fitsaram-bahoaka ary namoy ny ainy, omaly maraina, tao amin’ny fokontanin’i Fenoarivo. Raha ny zava-nisy tany an-toerana, araka ny fampitam-baovao azo : ny volana oktôbra sy novambra lasa teo, dia nisesisesy ny halatra narahina doro trano tany amin’iny kaomina Ambahy, ao amin’ny distrika Nosy Varika hatrany. Voarohirohy tamin’ity resaka halatra sy doro trano ity ny efa-dahy, izay samy monina tao amin’io toerana io hatrany. Nanaovan’ny fokonolona savahao izy efa-dahy ireto, izay efa tafatsoaka teo an-tanàna. Tezitra tamin’izany tsy fahitàna azy izany ireo fokonolona ka tany amin’ny fianakavian’izy efa-dahy no namatratra. Ny alarobia sy alakamisy teo, olona enina no nosamborin’izy ireo sy karazan’ny nataon’izy ireo takalon’aina hamoaka azy efa-dahy tsy hita. Tonga tany am-poto-tsofin’ny mpitandro filaminana ity resaka ity ka nidina avy hatrany tany an-toerana izy ireo handamina ny sain’ireo fokonolona. Sao mantsy hitatra any amin’ny resaka fitsaram-bahoaka izany, toy izay nitranga tsy ela akory tao Namorona, Mananjary. Nanaiky ny fifampiraharahana ireo fokonolona ka namotsotra azy enina mianadahy ireto, izay samy salama avokoa moa, araka ny tati-baovao avy any an-toerana hatrany. Omaly vao mangiran-dratsy, nandeha ny feo fa hitan’ny andrimasom-pokonolona tany amin’ny fokontany Fenoarivo, Nosy Varika ny iray tamin’ireo efa-dahy nifampitadiavana, niaraka tamin’ny namany iray. Tsy niandry alaharo alaharo ny olona nahita azy roalahy ireto  fa avy hatrany dia niafara tamin’ny fandatsahana aina izany. Tsy fantatra hatreto hoe, avy hatrany dia novonoina sa namaly ireo mpisambotra izy roalahy ka nifamely tamin’ireto andrimasom-pokonolona ireto, ary dia izao niafara tamin’ny aina latsaka izao indray. Tonga nijery ny zava-nisy avy hatrany tany an-toerana ireo mpitandro filaminana, izay voatery nizara roa, ka ny hafa nandeha nanadihady ny mikasika ilay vono olona ary ireo hafa, mbola nanohy ny famotorana mahakasika ilay fisamborana olona tsy amin’ny antony tao Ambahy. Lasa fahazarana any amin’iny faritra iny ve ity fitsaram-bahoaka sy famonoana olona toy ny mamono akoho ity ? Volana vitsy lasa izay, ilay ramatoa maty nodoran’ny olona velona tao Mananjary, ny faran’ny taona teo ilay zandary maty tao Namorona Mananjary, herinandro aty aoriana dia izao olona roa izao indray no matin’ny fitsaram-bahoaka tao Nosy Varika.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici