Omaly maraina tokony ho tamin’ny enina ora tany ho any, hita ny vatana mangatsiakan’Itpk Tsilangoui Angelico, zandary kilasy faharoa, miasa eo anivon’ny zana-tobim-paritra Sahavato. Marihana, fa latsaka an-drano teny ambony lakana ity farany, tao amin’ny lakandranon’i Pangalana ny sabotsy lasa teo. Ny zava-nisy araka ny fampitam-baovao azo teo anivon’ny zandarimariam-pirenena dia handeha hody, avy namita iraka arakasa tany amin’ny fitsarana Mananjary izy sy ny namany no tojo andro ratsy teny an-dàlana, tamin’iny lakandranon’i Pangalana iny. « Rehefa nandalo sahabo ho tandrifin’ny kaomina Sahavelo izy ireo, dia nibolisatra itompokolahy ka latsaka tao anatin’ny reniranon’i Sakaleona ary tsy hita nanomboka teo ». Natao avy hatrany ny fikarohana azy teo no eo ihany, niaraka tamin’ny fokonolona sy ny zandary namany, saingy tsy hita popoka. Telo andro taty aoriana vao io hita io ny vatana mangatsiakany, natsinkafon’ny rano nitelina azy ihany. « Lavo teo am-perinasa izy, ary ny Zandarimaria dia hitsinjo manokana ireo izay navelany » hoy hatrany ny vaovao.
m.L