- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversNosy Ve : Vorona arovana marobe nisy namono

Nosy Ve : Vorona arovana marobe nisy namono

« Paille en queue » no anaran’ireo vorona ary mipetraka ao anaty faritra arovana izy ireo. Tao indrindra anefa no nisy namono ity karazany ity. Teo amin’ny toerana iray no nahitàna azy ireo izay efa nitsiatra tsirairay. Haingana dia niampita ny vaovao tai an-toerana, Nosy Ve izay tanàna akaikin’Anakao. Nifandimby nivezivezy tao ny manam-pahefana tao an-toerana satria manan-danja lehibe amin’ny fiaraha-monina ny fisian’ireo vorona ireo izay raisin’ny mponina rahateo ho vorona fady ka tsy azo vonoina na hanina. Hatreto dia noeritreretina ho nisy nihaza ireo vorona ireo. Mampieritreritra ihany koa anefa ny mbola naha-teo an-toerana azy ireo fa tsy nentin’izay namono. Izany rehetra izany no antony nanokafana fanadihadiana momba ity raharaha ity. Nohamafisina ny fiambenana ilay faritra vokatr’ity tranga ity.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici