- Publicité -
samedi, janvier 24, 2026
AccueilFaits-DiversAntsirabe II : Notokanana ny kaomisaria ao Andranomanelatra

Antsirabe II : Notokanana ny kaomisaria ao Andranomanelatra

Notanterahana ny zoma 23 Janoary 2026 tao Andranomanelatra, Distrikan’Antsirabe II, Faritra Vakinankaratra, ny lanonana fitokanana sy fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny kaomisarian’ny Filaminam-bahoaka. Ity fotodrafitrasa vaovao ity dia natsangana ho fanamafisana ny politikam-panjakana momba ny fametrahana ho laharam-pahamehana ny fandriampahalemana ; ary fanatanterahana ny “Polisimpirenena manakaiky vahoaka”. Nitarika ny lanonana ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Inspecteur Général de Police ERICK MICHEL Wouli Soumah Idrissa, niaraka tamin’ireo tomponandraikitra ambony eo anivon’ny Minisitera sy ny Polisim-pirenena. Nanome voninahitra ny fotoana ireo manamboninahitra sivily sy miaramila, olomboatendry sy olom-boafidy ao amin’ny Faritra Vakinarakaratra.  Notsindrian’Andriamatoa Minisitry ny Filaminam-bahoaka manokana mandritra ny fandraisam-pitenenany, ny ezaka sy ny andraikitra miandry ny Polisimpirenena, mba hiantohana ny filaminana sy ny fandriampahalemana maharitra, izay antony nananganana ny fotodrafitrasa vaovao tahaka izao. Nisaotra ny fitondram-panjakàna ny tenany noho ny nahafahana nanao izao dingana lehibe izao.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner

S'abonner à notre newsletter

Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici

S'abonner à notre newsletter