Vita sy notokanana ny trano fiasan’ny tetikasa Volobe faharoa sahanin’ny CGHV na “Compagnie Générale d’Hydroéléctricité de Volobe” ao amin’ny kaominina Ambodilazana Toamasina II ny 15 novambra teo. Nandritra ny fitokanana ity trano fiasana ity no nilazan’ireo tompon’andraikitry ny tetikasa Volobe II, fa tsy marina ny filazana iniana misy mpanely ao an-toerana mikasika ny tany sy ny volin’ireo tantsaha. Misy manely tsaho mantsy any an-toerana fa halain’ny tetikasa ireo tany sy voly ny mponina manodidina, ka namaly izany ny tetikasa fa tsy ho hisy mihintsy izany fa izay tany na voly tafiditra ao anatin’ny fanamboarana, dia tsy maintsy hifanarahana sy honerana izany rehetra izany vao maka izany ny tetikasa Volobe II.
Ankilan’izany dia Tanana ivoahan’ny herinaratra mamatsy an’i Toamasina sy i Madagasikara ny kaominin’Ambodilazana Toamasina, saingy maizina am-pototry ny jiro ny mponina ao aminy. Amin’izao tetikasa Volobe II ao anatin’ny tetikasa CGHV izao dia hisy ny fahazoan’ny mponina izany herinaratra izany amin’ny fotoana fahavitany, araka ny nambaran’ireo tompon’andraikitra tamin’ireo vondron’olona sy ny manodidina ny orinasa. Fantatra koa fa ny barazy voalohany natsangana tao amin’ity kaominina ity namatsina an’i Toamasina dia efa nahorina tany amin’ny taona 1930; ka amin’izao barazy vaovao hahorina ao Volobe II izao indray dia hahatratra 120 MagaWatt ny vokatra hivoaka, izay avo folo heny noho ilay barazy nahorina 94 taona teo aloha.
Efa an-dalam-panataterahana ny tetikasa izao, satria ny fitsanganan’ny birao fiasana sy notokanana ao amin’ny kaominina Ambodilazana ity no fiandohan’ny asa rehetra ho atao any an-toerana. Natao koa ity birao vao nitokanana ity hanatsarana ny fifanakalozana sy ny fifampiresaha amin’ireo fokonolona ao amin’ity kaominina ity mikasika ny tetikasa famokarana herinaratra ity
Malala Didier