Horakoraka no nitsena ny helikoptera izay nitondra ny ekipan’ny kandida laharana fahatelo, tao Alarobia-Vatosola omaly. Saingy tsy horakoram-pifaliana fa kosa miendrika hatezerana. Tsy tafapetraka teo amin’ny toerana tokony hijanonany ilay angidim-by raha tsy efa nanandrana im-betsaka noho ny olona izay nampananosarotra an’izany. Tafajanona ihany ny niafarany ary siotsioka miendrika ompa sy kiakiaka no setrin’izany. Tsy nijanona teo aza fa nisy nitoraka ilay helikoptera izay mbola niodina ny elatra. Nitory ny komity manohana ny kandida vokatr’izany ary omaly ihany dia nisy fanadihadiana nosokafana ka olona telo no voasambotra. Mbola io komity io no nanazava fa andiana tanora eo amin’ny folo na 15 lahy eo no tao ambadik’ilay zava-nitranga. Simba ny elatry ny angidim-by vokatry ny toraka raha araka ny fanazavana. Tsy afa-nihetsika teo an-toerana satria tsy maintsy hosoloina ny piesy. Tsy nampoizin’ny delegasiona arak’izany ny zava-nitranga satria tsy voatery ho raisina ho toa ny Mesia hatrany izany ny kandida any amin’ny faritra sasany. Asa, mety tsy nialohavana fikarakarana angamba toa ny fizaràna entana isan-karazany. Somary niova ny sary omaly fa tsy toa ny any anaty kianja feno olona manao akanjo miloko ny antokon’ny kandidà toa ny mahazatra. Omaly ihany koa dia niverina ny adihevitra teo amin’ny mpanara-baovao politika momba ny fanimbàna ny fananan’olona. Betsaka ihany mantsy ny kandidà izay simba fananana nandritr’ity hetsika mialohan’ny fifidianana ity. Nisy mihitsy aza ny nametraka fitoriana kanefa toa tsy nisy tohiny avokoa izany. Ho an’ny kandidà hafa anefa eo no ho eo ihany dia nihetsika ny mpitandro ny filaminana nanao ny fisamborana raha vao voatoraka ny fitaovam-pitaterana amin’ny propagandy.
D.R