- Publicité -
dimanche, juin 8, 2025
AccueilFaits-DiversNourbhay Saifoudine : Navotsotry ny mpaka an-keriny omaly maraina

Nourbhay Saifoudine : Navotsotry ny mpaka an-keriny omaly maraina

Vao maraina ben’ny andron’ny mpifankatia, tokony tamin’ny 3ora maraina raha ny angom-baovao, izay tena sarotra tokoa ny fahazoana azy, no naterin’ireo mpaka an-keriny azy ilay teratany karàna Nourbhay Saifoudine, nisy naka an-keriny 11 andro lasa izay, tao amin’ny fokontany Bazary be. Noho ny tsy fisian’ny fifanomezam-baovao teo amin’ny fianakavian’i Nourbhay Saifoudine sy ireo mpitandro ny filaminana nisahana ny raharaha, na fantatra aza fa nisy hatrany ny fifandraisana tamin’izy ireo sy ny mpaka an-keriny ny havany, dia tsy fantatra mazava ny tena zava-nisy tamin’izao famotsorana an’ity teratany karàna ity izao. Voalazan’ny angom-baovao natao fa “tsy nisy fandoavam-bola” izao famotsorana an’Ingahy Nourbhay Saifoudine ny talata vao mangiran-dratsy izao. Teo aloha anefa dia re tamin’ireo teratany karàna mahalala ny raharaha ihany fa nisy fangatahana vola 3.000.000 euros (≈10 miliara ariary) nataon’ireo mpaka an-keriny azy tamin’ny fianakaviana. Taty aoriana dia fantatra indray fa nidina ho 3 miliara ariary izany, ka tsy fantatra marina ny tena vidin’ny ainy.

Tamberina. Raha hiveranana ny raharaha dia ny 3 febroary tokony ho tamin’ny 6 ora sy 15 min hariva, teo am-pidirana ny tranony, izy no nosakanan’ireto “andian-jiolahy” niisa dimy nanao “fanamina miaramila” sy samy nitondra ‘basy kalaky mangirana”. Ny telo lahy avy hatrany dia nanambana kalaky azy, ny roa lahy kosa nitarika azy hiditra ny fiara kely manga nandehanany. Teo imason-janany avy nianatra hariva niaraka tamin’ny mpiambina azy tsy afa-nanohitra ny raharaha rehetra. Taorian’izay dia hita tao an-damosin’ny fiangonana Fjkm Tranovato Anjoma niaraka tamin’ny bala na kalaky 20 vaovao be sy saron-tava avy nampiasan’ireo “andian-jiolahy” ilay fiara express fotsy nanaovana ny fakana an-keriny. Hita tany Mangarano II kosa ilay fiara kely manga nitondrana an’i Nourbhay Saifoudine.

Na efa novotsotr’ireto mpaka an-keriny azy noho ny fahazoan’izy ireo ireo vola notadiaviny anefa aza Ingahy Nourbhay Saifoudine, dia nilaza kosa ny mpitandro ny filaminana fa mitohy ny fikarohana ireto andian-jiolahy mpanao fakana an-keriny manao fanamiana miaramila eto Toamasina ireto…

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici