
Roa andro ny elanelan’ireto tranga ireto ary nifanelanelana kilaometatra maro. Saingy ny hitambaran’izy ireo dia ilay fahasahian’ireo namono azy mianaka ireto tamin’ny fomba mahatsiravina tanteraka. Ny iray, lehilahy manodidina ny 60 taona eo ho eo, hita faty tao amin’ny kaominina Antohobe, distrikan’i Betafo, ary ny iray ankizilahy kely, manodidina ny 14 taona eo ho eo, novonoina ary nesorina ny voamasony, nitranga tany amin’ny kaominina Ambinaniroa, distrikan’Ambalavao.
Raha ity tranga tany Betafo ity, tao amin’ny tanana antsoina hoe Miandrarivo, fokontany Ambohimahatsinjo ity dia olona sendra nandalo maraina, ny andron’ny talata teo no nampilaza ireo manam-pahefana tany an-toerana. Rehefa niroso tamin’ny fitsirihana ny razana ireo tompon’andraikitra, ny mpitsabo sy ny mpitandro filaminana dia hita tokoa fa vata mangatsiaka izy ity. Saingy vatana fotsiny ihany fa nisy nikapa ary tsy hita ny lohany. Tsy nahitàna ratra hafa ankoatr’ity fanapahana loha ity tamin’ity vatany ity, raha ny fanazavana azo. Fantatra moa fa olona monina ao Tampimbohitra ity hita faty ity ary efa nomena ny fianakaviana ny razana. Ny lohany sy izay olona nahavanon-doza kosa dia mbola eo am-pikarohana izany ireo mpitandro filaminana any an-toerana.
Fa ankoatr’ity tany Betafo ity dia ankizy lahikely sahabo eo amin’ny 14 taona eo ihany koa ny nisy nahitana teo Ambinaniroa Andonaka, tsy lavitry ny lalam-pirenena fahafito iny omaly maraina, efa tsy nisy aina intsony. Novonoina tamin’ny fomba feno habibiana ihany koa ity farany, ary nahitàna faritra, toy ny hoe nesorina ny masony. « Raha ny fizahana nataon’ny mpitsabo, hoy ny tompon’andraikitry ny filaminana tany an-toerana dia tsy nesorina akory ny voamasony fa mbola ao amin’ny toerany soa aman-tsara ». Raha ny fanazavana azo dia fira famaky no nahafaty azy ary nahazo ny faritry ny masony izany. Marihana fa tsy mponina eo an-tanana ity ankizilahy ity ary tsy misy mahafantatra rahateo. « Toy ny hoe novonoina tany ho any ary natsipy teo izy io » hoy ny mpitandro filaminana. Efa mandeha moa ny famotorana mahakasika ity tranga ity. Ilay ankizy kosa efa nomena ny fokonolona ary nalevina omaly ihany.
m.L