- Publicité SW45 -
samedi, décembre 21, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFahantrana : « Ny fivavahana no hany handresena izany »

Fahantrana : « Ny fivavahana no hany handresena izany »

Ny jeneraly Rakotomaronirina Alfred

Isan’ireo firenena mahantra indrindra eto an-tany i Madagasikara amin’izao fotoana izao. Maro ireo manana tetikasa hoentina mampandroso ny firenena, fa ho an’ny Jeneraly Rakotomaronirina Alfred dia na inona na inona tetikasa hoentina eo, raha tsy arahana fivavahana sy finoana lalina izany dia tsy hahomby mihitsy. « Asan’ny devoly ny fahantrana, ka ny fivavahana no tokony entina miady amin’ izany », hoy ity manamboninahitra misotro ronono eo anivon’ny tafita ity. Mila mpitondra tena mpivavaka araka izany, hoy izy, fa tsy mpitondra mody mivavaka. Ny vahoaka entina koa dia tokony ho mpino tanteraka, fa tsy mpino isakin’ny sabotsy sy alahady fotsiny. « Ny leadership spirituel no lalana ahatongavana amin’izany. Io dia fahaiza-mitantana mifototra amin’ny finoana. Ary ny leader spirituel dia olona manana fitondran-tena mendrika ka tahafin’ny vahoaka entiny », hoy ny Jeneraly  Rakotomaronirina Alfred. Betsaka ny tetikasa fampandrosoana tian’ity zanaky ny distrikan’I Kandreho ity ho tanterahina, ary arahany finoana kristianina tanteraka ireo vina izay kasainy. Vonona hampandroso ny fireneny ity manamboninahitra ity, ary efa natombony avy amin’izay fahafahana eo am-pelatanany izany.

T.M.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici