Misy maromaro izy ireo fa ireto no asehontsika anio ary efa mpiaka-tsehatra rahateo. Fanalana andro sady asa ny hatsikana ho azy ireo.
ISAMBILO DOZERA: 21 taona, 2 taona nanaovana hatsikana,sady skoto,no mpanao animation mariage, anniversaire, mpikabary, mpanao tononkalo, olontsotra.
MAH: Rakotoniriana Mahenintsoa, skoto, na Votry Mampifaly. Mpanentana sady mpanao hatsikana zandriny
LEZO (TRINITE VOM): Razafimahefa Mamitiana Herizo, mpanao hatsikana zandriny, Telo ny isan’ny ao anaty tarika VOM. Mpanentana sady mpanao hatsikana. Mbola mianatra manao sociologie
AROHIM, Andrianina Patricia Mihoranana. Nanao hatsiakana efa roa taona, manentana, anaty onjam-peo koa. Mpizara hafaliana.
MIRANTO GODAR: Andriamampita Miranto Niaina,23 taona, mpanao hatsikana zandriny, mpanentana sady mpanao hatsikana. Mianatra droit
BELOHA(TRINITE VOM): Raherimanana Jean Pierre, Beloha VOM, poeta, mpanao hatsikana, efa nilalao film
SAULY(TRINITE VOM): Rakotovololona Francois de Paul na SAULY VOM. Tia mitsiky sy mihanihany ary manala azy ihany koa. Mpianatra ao am sociologie
FINENGO MAHASAKY : Nirina-Andrianantenaina Tahirindrabe Johnson, 24 taona, Tily , manao Sociologie eny ankatso. Mpanao vidéo mahatsikaiky ao @ FB sy Youtube teny am-paindohana ary mbola manohy izany hatramin’izao
Dossier réalisé par Anny Andrianaivonirina