- Publicité -
mardi, juin 17, 2025
AccueilFaits-DiversNy orinasa Guanomad no tompon’ny lavabato ao Ankikiky

Ny orinasa Guanomad no tompon’ny lavabato ao Ankikiky

Manoloana ny vaovao an-gazety nivoaka omaly zoma 12 desambra 2014 teto amin’ny Midi Madagasikara mikasika ny fangalarana vola 4 tapitrisa Ar sy zezika 810 gony dia mitondra izao fanazavàna izao ny orinasa GUANOMAD :

–          An’ny orinasa GUANOMAD madiodio ny lavabaton’Ankikiky, izay an’ny kaominina Ambohimahavelona (fa tsy an’ny kaominina Andranoninaly araka ny voalaza), distrika Toliara II. Araka ny fifanarahana sy ny fanomezana alalàna nataon’ny Fokontany tamin’ny taona 2008 ; ary nohamafisin’ny didim-pitondràna laharana 002-CR/AMB tamin’ny 1er desambra 2014.

–          Noho izany dia zon’ny orinasa GUANOMAD tanteraka ny manao “collecte” ao amin’io lavabato io.

–          Voalaza ihany koa fa nanafika ny mpiasan’ny orinasa Mima Sarl ary nangalatra vola 4 tapitrisa Ar ny mpiasan’ny orinasa GUANOMAD ny 26 novambra lasa teo. Marihin’ny orinasa GUANOMAD etoana fa tsy mpiasan’ny orinasa i Manovo fa mpiantoka asa (prestataire) ary efa tapitra ny 17 novambra lasa teo ny asa nataon’i Manovo ho an’ny orinasa GUANOMAD ka tsy tompon’andraikitra intsony amin’ny fihetsika rehetra izay mety hataony ny orinasa.

Noho izany dia hanao fanadihadiana sy hitory ny tompon’andraikitry ny fanalam-baraka ny orinasa GUANOMAD.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser