Taorian’ny fitokonan’ireo mpiasan’ny fadintseranana eto Toamasina izay mbola mampihenjana ny tady eo amin’izy ireo sy ny reseveran’ny ladoany, ary ny fidiran’ny mpitandro ny filaminana amin’ny raharaha amin’ny maha “toerana stratejika” ny seranan-tsambon’i Toamasina, araka ny nambaran’ny lehiben’ny vondrom-pileovan’ny zandary mitarika ny Emmo-Rég atsinanana ny Kly Ralaikoa; dia miditra amin’ny fitokonana ihany koa izao ny sampan-draharaham-panjakana roa, ahitana ny sampan-draharahan’ny hetra sy ny fandraharahana ny fonja eto Toamasina. Raha ny fanazavana azo dia vokatry ny fitakiana ara-dalàna sy ara-drariny nataon’izy ireo tamin’ny fanjakana, saingy nanaovan’ity farany be marenina hatramin’izao no anton’izao fitokonana izao voalaza fa tsy hisy fetrany raha tsy mivaly ny fangatahan’izy ireo izao. Raha ho an’ny sampan-draharahan’ ny hetra dia ny fanomezana orinasa tsy miankina amin’ny fanangonan-ketra izay hampisy fahambangana ara-bola, sy kolikoly avo lenta, ary ny tsy fanajana ny lalàna misy mikasika ny fanangonan-ketra amin’ny ankapobeny no antony fitokonan’izy ireo. Raha ny vaovao dia efa ny zoma teo nivalona iny no efa niroso tamin’izany izy ireo izay mbola mitohy hatramin’izao izany eny amin’ny foibeny Ampasimazava Toamasina, ka tsy misy ny fandraisana ireo mpandoa hetra ao anatin’izany mandram-pisian’ny valinteny mahafa-po azon’izy ireo. Ny an’ny fandraharaha ny fonja kosa dia ny mbola tsy famalian’ny minisitry ny fitsarana ny fitakiana nataon’izy ireo, izay nambaran’ny Rtoa minisitra fa hojerena akaiky efa ho iray volana izao, no niverenan’izy ireo mitokona tsy fetrany izao indray.
Malala Didier