- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversNy Spat sy ny aretina “Coronavirus – Covid-19” : Ara-dalana ara-pahasalamana ny sambo...

Ny Spat sy ny aretina “Coronavirus – Covid-19” : Ara-dalana ara-pahasalamana ny sambo « Kota Nazar »

Nisy ny vaovao niely teto Toamasina sy tao anatin’ny tamban-jotran-tserasera “facebook” natao na andian’olona milaza fa sambo nitondra aretina “coronavirus – Covid-19” ny sambo “Kota Nazar” nampidirin’ny seranan-tsambo nanala entana sy naka entana teto Toamasina tao aminy. Tsy niandry ela fa namaly izany ny teo anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina tamin’ny alalan’ny sampana mpampiditra sy mpamoaka sambo, “capitainerie”, tamin’ny alalan’ny komanda Jami Injona, fa tsy marina ireo vaovao niniana naely tao anatin’ny tamban-jotran-tserasera “facebook” io sy tsaho nandeha teto Toamasina. Misy ny lalana iraisam-pirenena momba ireo fitaovam-pitaterana tahaka ny sambo amin’ny fotoan’ny valan’aretina tahaka ny “cotronavirus – Covid-19” izao, ka tsy manaraka izany avokoa ny tompon-tsambo sy ireo mpanamory ny sambo ary ny firenena mpandray azy ireny tsirairay avy. Anisan’izany ny lalana nizorany sy ny fahasalaman’ny mpanamory ao anatiny. Ny seranan-tsambo ihany koa na misy na tsy misy ny valan’aretina dia efa manara-maso hatrany ireo mpandeha sy mpanamory sambo rehetra tonga ao aminy amin’ny alalan’ny mpitsambo mpanara-maso ny sisin-tany.  Ny sambo Kota Nazar” alohany nahatongavany teto Toamasina anefa dia efa nandalo tao amin’ny Nosy Maurice sy ny nosy La Réunion vao tonga tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina; midika izany matoa nanaiky ny nandray azy ireo nosy mirahavavy dia ara-dalana tsara ara-pahasalamana izany ny sambo sy nanaraka ireo fepetra iraisam-pirenena momba ny valan’aretina tahaka izao misy izao ihany koa na nandalo tao Sina azy talohan’izany. Nambaran’ny komanda Jami Injoma ihany fa efa lasa nihazo hanatitra entana, kaontenera,  any Maputo ny sambo “Kota Nazar” ny faran’ny herinandro teo.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici