Niakatra ireo olona nila famonjena teo anivon’ny sampana mpamonjy vonjy taitra ny hopitaly be ny faran’ny taona sy ny taona vaovao teo. Raha ny tarehimarika dia niakatra 176 izany raha noharina tamin’ny andro noely izay 167 araka ny voalazan’ireo mpitsabo. Tao anatin’izany dia marary 96 no nohazonina teo anivon’ny hopitaly be noho ny aretiny, raha telo kosa ireo nandà izany.
Izay ny teny amin’ny hopitaly be, saingy maro noho izany ireo nilahatra teny amin’ny dokotera tsy miankina sy ireo tobim-pahasalamana tsy miankina, izay niteraka filaraham-be teny amin’ireo fivarotam-panafody mpiandry raharaha. Ny nahagaga dia resaka karazana sery mahery vaika, izay lazainy mpitsabo fa taratry ny covid-19 ihany no tena betsaka tamin’izany rehetra izany. Raha ampitahaina ny telo andro dia, ny zoma – sabotsy – alahady, ny andro noely sy ny taom-baovao dia 5 ny lozam-pifamoivoizana ny andron’ny taom-baovao izay nateraky ny posy sy tuc-tuc avokoa, raha 9 kosa ny andro noely teo. Ny teo amin’ny ady an-dalam-be sy ny tsatok’antsy ary ny fanendahana kosa dia 19 izany ny andron’ny krismasy dia tafakatra 30 kosa ny andron’ny taom-baovao teo, izay nahafatesana olona efatra be izao raha tsy ilaza ity tovolahy maty feno dian’antsy teny amoron-dranomasina manakaiky ny lycée Jacques Rabemananjara Salazamay, sy ireo mpivady tao Ambolomadinika.
Ankoatra izany rehetra izany dia niakatra ihany koa ny isa teo amin’ny ratra vokatry ny fianjerana amin’ny lalam-bahoaka; raha ny efatra izany ny andron’ny krismasy dia nitombo 14 izany ny andron’ny taom-baovao. Iray kosa no namoy ny aina vokatra ny fahamamoana be loatra teo anivon’ny hopitaly be ny taom-baovao, tsy fihinanan-kanina nefa nisotro toaka no niteraka izany araka ny filazan’ny mpitsabo.
Malala Didier