Eo ampamolavolana ny drafitra sy paikady hoenti-miatrika ny fifindra-monina ny faritra Androy sy ny faritra Menabe izay faritra tena iharan’ity fifandra-monina ity, ny OIM “Organisation Internationale pour les migrations” no tompomarika amin’ity atrikasa atao eto Antsirabe ity mandritra ny hateloana izay nanomboka omaly Alatsinainy 10 Febroary 2025. Efa samy nahavita ny atrikasa rezionaly ny faritra roa nialohavan’izao fotoana izao.
Ny faritra Menabe no lasibatra amin’ny fifindra-monina satria ity farany no toerana hifindran’ireo mponina avy ao amin’ny faritra Androy. Ny volana Oktobra sy Novambra amin’ny fotoampambolena no tena mirongatra ny fifandra-monina. Maro dia maro ireo Antandroy no mifindra monina ao Menabe amin’io vanim-poana io, ny tena mampanahy dia mety ho fahapotehan’ny harena voajanahary sy ny ala arovana ao Menabe satria io toerana io no hambolen’ireo tandroy.
Tsindry lehibe ho an’ny faritra ity fifindra-monina ity hoy Atoa Jean Evrar talen’ny fotodrafitrasa sy fampandrosoana avy amin’ny faritra Menabe satria ahiana ho potika ny faritra Menabeantiala, tsy misy lalàna rahateo eo Madagasikara hoy ny tenany mandrara ny fifamezivezana sy ny fifindra-monina. Samy mikaroka vahaolana ny roa tonta hiatrehana ity fifindra-monina ity hitadiavana vahaolana sy drafitra mati-paika iarahana amin’ny OIM; izay rahateo no isan’ny tanjon’izao atrikasa izao.
Tsy fidiny ho an’ireo avy amin’ny faritra Androy kosa ny hifindra monina ao Menaba fa isan’ny mahatonga izany ny fiovaovan’ny toetry ny andro sy ny faharatsian’ny teo-tany ao aminy. Tsy mifindra monina mandrakizay ireo Tandroy ireo fa mamboly ao Menabe, rehefa izany, dia miverina amin’ny taniny izy ireo, rehefa fotoan’ny miaka bohitra kosa dia tonga indray, marihina fa voly katsaka sy voanjo no tena ataon’izy ireo.
Amporisihina ny governemanta hitady vahaolana manolona ny fifindra-monina ratsy fitantanana satria misy fiantraikany maro na eo amin’ny fiaraha-monina izany na eo amin’ny tontolo iainana indrindra ny faritra arovana, aorian’izao atrikasa izao dia hisy ny tatitra homena ireo tompon’andraiki-panjankana mba hahalalan’izy ireo ny zava misy. Hoamafisina ny fahaiza manaon’ireo mpisehatra amin’ny famahana ireo fanamby mifandray amin’ny fifindra-monina tsy voatanisa eto Madagasikara amin’ny alalan’ny fomba fiarovana ny olombelona hoy Evina Roger Charles lehiben’ny OIM eto Madagasikara sy Kaomoro.
Andry N.