- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversOlan-tokantrano : Namono tena ilay rangahy fa tsy nahazaka

Olan-tokantrano : Namono tena ilay rangahy fa tsy nahazaka

Rangahy lehibe iray, 61 taona, nahavita nananton-tena tao an-trano, tany Beraketa Ambodirano, kaominina Ambatondrakalavao, distrikan’Ambatolampy, ny alakamisy teo, tokony ho tamin’ny 1 ora tolakandro. Vokatry ny ady teo amin’izy sy ny vadiny ary niafara tamin’ny fikasihan-tanana. izany Naratra ilay ramatoa ary lasa namonjy hopitaly nitsabo-tena. Asa na noho ny tahotra na leo ny olan-tokantrano fa namono tena ilay rangahy. Nanaton-tena tamin’ny lamba tamin’ny valin-drihana izy io. Taratasy no navelany tamin’izany ka nahitana soratra : « Ho anareo taranako velona, tsy maintsy nataoko izao satria mafy loatra ny tsindry nataony tamiko. Tsy mba nisy zavatra nahasoa ahy fa ny fitiavan-tenany no nanjaka taminy. Be loatra ny zavatra tiako ambara fa izay. Veloma e. Dadanareo ». Niverina ramatoa vao nahita ity vadiny efa maty.  Nampandre ny fokonolona avy hatrany ary miaramilan’ny DAS iray no nampandre ny zandary tao amin’ny tobim-paritra Ambatolampy momba io famonoan-tena io. Nidina teny an-toerana ny zandary nanao ny fizahana, niaraka tamin’ny dokotera lehiben’ny CSB-II Ambatondrakalavao. Natolotra ny fianakaviana ny razana ary misokatra ny famotorana. Na eo aza ny fahitana fa namono tena izy, namela taratasy, tsy maintsy miroso amin’ny fanadihadiana ny zandary noho ny resaka fahafatesana. Toe-javatra tsy mpiseho any an-toerana rahateo ny tranga ka antony mahatonga ny ahiahy hatrany. Andrasana ny tohin’ny famotorana ataon’ny zandary.

Yv Sam

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici