- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversOlan’ny Jirama sy ny Enelec : Niravona raha efa niteraka delestazy iray...

Olan’ny Jirama sy ny Enelec : Niravona raha efa niteraka delestazy iray volana teto Toamasina

Nanomboka ny herinandro nivalona iny dia nahatsapa ny tsy fisian’ilay delestazy nateraky ny resa-bola teo amin’ny Enelec, mpamatsy herinaratra ny Jirama Toamasina, ny vahoaka, izay nitranga tao anatin’ny volana martsa manontolo ka niseho isaky ny amin’ny 05ora hariva hatramin’ny 10ora alina. Efa nisy ny fifanarahana vaovao teo amin’ny Enelec sy ny tale jeneralin’ny Jirama mikasika ny olana, saingy manahy hatrany ny Jirama ny hiverenany noho ny hamaron’ny trosa tsy mbola voaloa, ka hametraka fitaovana mpamokatra herinaratra roa samy manana tanjaka 05MW avy ao “Tamatave II” sy ny ao “Tamatave III” misy ny foibe mpamokatra herinaratry ny Jirama eto Toamasina. Ankilan’izay koa dia efa miditra amin’ny fametrahana ireo kaonteran-jiro vaovao ho an’ireo mpangataka ny taona 2014 ny Jirama Toamasina hatramin’ny volana may. Efa mivoaka eo anivon’ny Jirama sy ny tambajotrany ny lisitr’ireo mpanjifa vaovao ireo. Efa vita manontolo kosa ny an’ireo mpangataka ny taona 2013, manodidina ny 320 teo. Ny tanjona, hoy ny talen’ny Jirama Toto Jean de Dieu, dia hamitana ireo fangatahana farany ny taona 2015 ny volana jona, ka mpangataka ho mpanjifa vaovaon’ny Jirama Toamasina hafa indray no raisina manomboka ny volana jolay ho avy io. Ho fanatsarana koa anefa ny fomba fifandraisan’ny Jirama sy ny Mpanjifany, hoy ny lehiben’ny seraseran’ny Jirama Toamasina, dia hisy fanitarana ny birao fandoavana ny faktioran’ny Jirama ao Bazary be. Hisy koa ny ho fiaraha-miasan’izy ireo amin’ireo banky madinika ho fanakaikezana ny mpanjifa; ary hohamafisina ny fampiasana ny finday amin’ny fomba fandoavana ny faktiora. Ankoatra izay dia manomboka koa ny asa ho fizarana ho roa ny tambajotrana herinaratra isan’ny mavesatra eto Toamasina, mandalo ao Tanambao V hatrany Ambalamanasy, sy Tanamakoa hatrany Ampilaolava; ho fanatsarana ny tolotra omena ny mpanjifa.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici