Mizotra mankaiza ny firenena? Vao tsy ela akory izay no nisy sefo distrika izay voarohirohy tamin’ny fanodinkodinana zaza tsy ampy taona, iray hafa tratran’ny tompom-bady tao anaty efitrano fivahinianana, izao indray koa dia misy manam-pahefana iray hafa nosamborina tao Mahanoro. Mpiara-miasa akaiky amin’ny senatera iray na “assistant parlementaire” io farany. Tsy vitan’izay fa mbola filohan’ny filan-kevitry ny tanàna ihany koa. Raha hatao bango tokana dia azo sokajiana ho olobe ny lehilahy. Zazavavy 14 taona no voaolana tamin’ny avrily lasa teo. Nafempenin’ilay zaza izany saingy nivoaka ihany ny marina rehefa nosokirin’ny mamany noho ny toe-javatra hafahafa izay tsikaritra tamin’ny vatany. Nandeha ny fitsirihana natao tamin’ny mpitsabo ary voamarina fa efa simba ilay zaza, raha araka ny mpitory. Io farany izay nametraka ny fitoriana teny anivon’ny polisy ary dia nandeha ny fisamborana ny alarobia lasa teo. Omaly kosa no niakatra teo anivon’ny fampanoavana ny raharaha saingy mbola tsy nivaly tamin’ny fotoana nanoratana. Lehilahy lehibe efa manan-jafy ary maherin’ny 60 taona no voatazona ho tompon’antoka. Mbola teo aza ny zafikeliny taloha kelin’ny fotoana nitrangan’ny herisetra ara-nofo. Nirahiny nividy zavatra tany ivelan’ny trano ary dia teo amin’izay no nanararaotany nanao ny fanolanana. Sahin’ny ray aman-dreny ny nitory tamin’ity indray mitoraka ity, tsy mitovy amin’ny tranga hafa izay manaiky “fandaminana”. Nandeha araka ny tokony ho izy avy hatrany ny tohin’ny fanenjehana rehetra ara-keloka. Ny hany mampanahy ny mpitory ankehitriny dia ny hoe sao sanatria indray misy ny tsindry bokotra ka ho sarona ny raharaha. Olobe mantsy no nahavita heloka, araka ny asa izay efa voatanisa etsy ambony. Arahin’i Mahanoro maso akaiky ny raharaha.
D.R