Manomboka mivoaka ny marina momba ireo milaza fa mpitari-tolona eo anivon’ny tontolon’ny fampianarana ao Toamasina ankehitriny. Olom-bitsy dimy no miezaka manimba ny hasin’ny fampianarana ao an-toerana. Manao bontolo, mody mialokaloka ao anatin’ny resaka fitarihana mpanabe mitokona mba hanafenana ny tanjona. Misy amin’izy ireo no efa anaty lisitra mainty amin’ireo sekoly tsy miankina ao Toamasina, noho ireo toetra tsy mendrika mifanohitra amin’ny maha-mpanabe. Misy mpanao tsidi-pahitra ny toeram-piasana, nefa dia te-ho eo amin’ny toeran’ny minisitry ny fampianarana amin’ny fanapahan-kevitra raisina. Araky ny olona ihany ny momba azy ireo, ary tsy mahatarika mpanabe intsony na dia mikiry fatratra mitondra rivotry ny fanakorontanana aza. Rivotra entina hampikatso indray ny fampianarana ao Toamasina no heverina fa tian’ireo hatao. Leo fanambakana sy leo mpitari-bato vilam-bava anefa ny mpanabe maro an’isa, ary nanome lamosina ankehitriny. Resy lahatra rahateo ireo mpampianatra fa fotoanan’ny asaizao fa tsy fitokonana intsony, ary tsy mendrika hatao takalon’aina amin’ny fitadiavana tombontsoa manokana indray ny fampianarana.
D.R




