- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversOlon-tsotra sa dahalo ireo namoy ny ainy tany Betroka : Hanokatra ny...

Olon-tsotra sa dahalo ireo namoy ny ainy tany Betroka : Hanokatra ny fanadihadiana ny eo anivon’ny zandary

Ny zoma maraina lasa teo dia zandary maromaro avy ao amin’ny Vondron-tobim-paritra Betroka, nampian’ireo avy ao amin’ny Usad no nandeha namaky zohy iray fieren’ny dahalo sy fanafenana omby, izay efa malaza fa tsy mety azo, tao Soahazo, fokontany Mangalahy, kaominina Ivaho, distrika Betroka. « Raha mbola niomana tsy lavitra ilay tanàna anefa ireto mpitandro filaminana ireto dia efa tifitra variraraka avy hatrany no nitsena azy ireo avy amin’ilay tanàna » hoy ny fampitam-baovao azo. Voatery namaly tifitra , ary nampiasa « bala mandrehitra » arak’izany ireo zandary. Vokany, nilavo lefona ireo dahalo. Tafo bozaka telo no may, dahalo dimy no tsy afa-manohy intsony ny asa ratsiny, ary basim-borona efatra, niaraka tamin’ny basy vita gasy telo no sarona, niaraka tamina ody gasy maromaro. Omby  329 kosa no azo tao amin’io toerana io, izay marihana fa saika halatra avokoa. Tetsy an-danin’izay anefa, dia misy ireo milaza fa « famonoan’olona an-kitsirano » sy ny « fandorana tanana » no nisy tany amin’io tanàna io. Fa tsy fifandonana tamina dahalo izany. Manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana mihitsy aza ny mpanao pôlitika sasantsany ao anaty tambajotra sosialy ao ny amin’ny « famonjena an’i Betroka ». Anisan’izany i Paolo Raholinarivo izay milaza ao amin’ny tambajotra sosialy “facebook” fa « amin’ny maha zanak’i Betroka ahy dia manameloka ny fandoroana tanana sy famonoana ireo olona dimy nataon’ireo Zandary tao aminy Kaominina Ivahona ny Tenako, ka manaitra ireo Tompon’andraikitra rehetra ». Inona marina araka izany ny tena zava-nitranga ? Nanambaran’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimarim-pirenena, ny Jly Ravalomanana Richard, ny sabotsy teo, fa « raha sanatria ka nisy ilay « vono moka » voalaza, izay marihako fa tsy fanaon’ny zandary velively, tany amina tanana iray tao Betroka, dia tsy maintsy hanokatra fanadihadiana izahay, ary tsy ho afa-bela izay tompon’antoka. Fa raha tany ity kosa ka herim-pon’ireo zandary maromaro tany an-toerana tao anaty fifandonana izany ary nahazoana vokatra, hampandry fahalemana ny tany dia tsy maintsy hiaro hatramin’ny farany azy ireo ny tenako, manoloana ny fiampangana tsy ara-drariny atao amin’ireo olom-peheziko. Na izany na tsy izany anefa dia tsy maintsy hizaha marina izay tena nisy tany an-toerana izahay tompon’andraikitra ». Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary ihany koa moa dia voalaza, fa « tomponandraikitra sivily voatonona amin’ity raharaha ity ,saingy ny Zandarimaria dia resy lahatra fa tsy maintsy atao ny fanadiovana ary tsy misy ny tsimatimanota ». Andrasana ny tohiny …

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici