Tao anatin’ny roa andro, fantatra fa olona miisa dimy no indray hita faty teto amin’ny renivohitra ny ny manodidina. Ny voalahany, teny Manjakaray. Izany antsoina hoe Rasta izany no hitan’ny mponina vao maraina be tsy nisy aina intsony teo amoron-dalana. Voalaza fa anisan’ireny tsy manana ihalofana ireny izy io. Ny faharoa indray dia teny Bemasoandro Itaosy. Tovolahy 15 taona no maty kilan’ny afo tao amin’ny trano nipetrahany. Tamin’ny 11 ora tamin’izay ary tsy fantatra ny antony naha may ny trano. Fahafatesana fahatelo, ankizy lahy kely iray, 7 taona, no nianjera avy eny ambony tetezana teny Ampasika. Notatazan’ny vato tao amabany tao izy ary dia maty.Fa tamin’ny talata ihany, lehilahy iray 45 taona koa no maty voatsindrin’ny vy teny Ambaranjana. Nisy fifamaliana teny an-toerana. tsy fantatra na anisan’ny tafiditra tamin’izany ilay rangahy fa ny voavao no nahalalana fa voatsindrina taribihy lehibe izy ary maty. Tany ivelan’ny renivohitra, mbola lehilahy iray ihany koa no novonoin’ny jiolahy tany Faratsiho ary nariana teny antanimbary ny fatiny. Nahitana ratra ratra roa ny vatany, teo amin’ny tratrany sy teo amin’ny lamosiny.
nangonin’i r.s.