- Publicité -
dimanche, juin 1, 2025
AccueilFaits-DiversFihinanana atsantsa : Olona 55 naiditra hopitaly

Fihinanana atsantsa : Olona 55 naiditra hopitaly

Izay nihinana dia narary avokoa ary tsy maintsy naterina teny amin’ny toeram-pitsaboana. Karazan-trondro antsatsa no nohanin’izy ireo ary izany anefa dia nisy poizina. Tsy ireo ihany no ahiana fa nitondra faisana tamin’ity tranga ity, satria olona marobe no nifandrombaka tamin’ity henan’atsantsa ity, saingy mbola tsy nandeha tany amin’ny toeram-pitsaboana aloha. Tao amin’ny tanàna antsoina hoe Ambola, distrikan’i Toliara faharoa, no niseho ity tranga mahakasika faharariana noho ny fihinana sakafo nisy poizina ity. Tsy zava-baovao ihany izy ity any amin’ny tany misy ranomasina. Ny antony dia satria betsaka ireo hazan-dranomasina marary ary maty ka atopatopan’ny rano eny amoron-tsiraka. Rehefa mahita izany anefa ny olona dia toa ireny mahita mana latsaka avy any an-danitra ireny ary dia mifandrombaka mitondra antsy ary samy maka hena, entina mody hatao laoka. Tsy voatazona mihitsy ny olona amin’izany kanefa avy eo samy mizaka ny vokany. Isan-taona izany dia ilaina hatrany ny fanentanana ny amin’ny tsy tokony hihinanana hazan-dranomasina maty ka entin’ny rano. Tsy izany ihany anefa satria misy koa ireo hafa izay tsy azo hanina na velona aza mandritra ny fotoana voafetra noho izy ireny mihinana lomotra ary mitazona poizina arak izany mandritr ny vanim-potoana iray.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici