
Nirohotra nanoloana ny biraon’ny mpitandro ny filaminana tao Faratsiho ireo olona marobe. Naneho ny alahelony izy ireo manoloana ny famonjàna vonjimaika ny mpiambina iray antsoina hoe Leba. Io farany izay miandraikitra fiambenana pretra ao an-toerana efa hatramin’ny roapolo taona izay, dia voarohirohy tamin’ny vonoan’olona nitranga tao an-toerana. Ny zava-nisy dia ny fisian’ny olona izay maty voatsindrona zava-maranitra ary hitan’ny olona nitsirara teny an-dàlana. Nisy fanazavana fa mpamaky trano izy io ary nifandona tamin’i Leba ny alin’io nahitàna faty azy io. Nanazava i Leba, raha araka ny fianakaviany, fa nanafika azy tamin’ny zava-maranitra ilay lehilahy izay tratrany nitondra vary iray gony. Niaro tena ilay mpiambina ary namaly ka teo no voatsatony antsy ny kibon’ilay mpanafika izay hita faty ny marainan’io. Nitory ny fianakavian’ny maty ary natao ny fisamborana an’i Leba izay midoboka am-ponja amin’izao fotoana. Nirohotra ny olona ary nanome 48 ora (nanomboka ny talata teo ary hifarana anio izany) ny mba hamoahana an’i Leba am-ponja. Hilefitra ve ny fitsaràna? Arahina ny fivoarany.
D.R


