- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversOlona dimy nosamborina : Mpisandoka ho havan’ny Filoha, manondrana olona

Olona dimy nosamborina : Mpisandoka ho havan’ny Filoha, manondrana olona

Tombanana ho volabe no efa azon’izy ireo tamin’ity asa fisolokiana ity. Tao an-tranon’ny iray amin’ny mpikambana anatin’ilay tambajotra fotsiny no efa nahitana dosie  250. Izany hoe tsy latsak’io isa io no efa nahazoan’ireo vola. Omaly no niakatra fampanoavana ny raharaha. Milaza ho havan’ny Filoham-pirenena ireo olon-dratsy ary milaza ihany koa, fa mahavita ny mandefa olona hiasa any ivelany. Nisy ny nahatsapa, fa voasoloky rehefa tsy nety lasa mihitsy tao anatin’ny fotoana izay nifanomezana. Vokatr’izany, dia nametraka fitoriana. Nanomboka teo koa ny zandary no nanokatra fanadihadiana noho ny fanondranana olona. Tetsy Andranonahoatra Itaosy sy Andavamamba ny roa voalohany no voasambotra, ny alakamisy lasa teo. Teo ihany koa dia efa nandeha ny fisavana ny trano ary nahitana ireo Curriculum Vitae an-jatony maro sy dosie hafa ; izay mahakasika olona marobe ary koa sary samihafa. Nanondro olona hafa koa ireo nosamborina teny Anosy sy Andoharanofotsy ny roa hafa ; izay nahafeno dimy ny olona nohadihadiana. Rehefa natao ny fisavana tany an-toerana, dia nahitana pasipaoro marobe indray tao ary koa antontan-taratasy maro izay manaporofo ilay asa ratsy. Nilaza moa ny iray tamin’ireo olona, fa miasa eo anivon’ireny birao mpametraka olona hiasa any ivelany ireny (bureau de placement). Na izany aza anefa, dia tsy nahitana olona mihitsy nandritr’ireo fisavana izay nifanesy. Asa, mety ho napetraka tamin’ny toeran-kafa ve raha toa ka tena mitombiny ny fikasana handefa any ivelany, na koa nivarotana saka be loha fotsiny mba hangalana ny vola. Amin’ny lafiny iray koa, dia toa mbola mampanontany tena hoe amin’izao vanim-potoana iainantsika izao ve, dia mbola misy ihany ny olona izay voasoloky amin’ny fisandohana andraikitra toy izao ? Indrindra koa raha milaza hoe havan’ny Filoha ny olon-dratsy dia tsy tokony mba ho mailomailo ve hoe mpisoloky ny olona miresaka amin’ny tena ?

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici