- Publicité -
mercredi, janvier 14, 2026
AccueilFaits-DiversMahazomà-Maevatanàna : Olona efatra no naratra naiditra hopitaly nandritra ny lozam-pifamoivoizana

Mahazomà-Maevatanàna : Olona efatra no naratra naiditra hopitaly nandritra ny lozam-pifamoivoizana

Efa nahazo fitsaboana sahaza ao amin’ny hôpitalibe Morafenokely, ato anatin’ny kaominina Maevatanàna ambonivohitra, izy efa-dahy tratran’ny lozam-pifamoivoizana ny Alatsinainy faha 12 Janoary lasa teo, tokony tamin’ny sivy ora maraina latsaka fahefany, tany ho any. Raha hotantarana tokoa ny tena zava-niseho, araky ny angom-baovao azo hatrany dia tahak’izao manaraka izao: Fiara tsy mataho-dalana iray nitondra olona tsy voafaritr’isa nandeha teny amin’ny tafian-dakana, atao hoe: Andranotakatra no voloaza fa niditra mafy, tao anaty fiolanana nivoaka ny tanàna, teo akaikin’ny tranom-pianaran’ny Liseam-panjakana any amin’ny renivohitry ny kaominina ambanivohitra Mahazomà, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna. Tamin’izay indrindra no nivadika ity fiara ity, ka lehilahy niisa efatra tao anatin’io fiara io ny tena naratra. Saingy efa manaraka fitsaboana eny amin’ny hôpitalibe Morafenokely moa izy ireo hatreto. Eto ampamaranana ny lahatsoratra dia tsara hatrany ny mampahafantatra fa nandeha naka entana noentin’ilay lakana misy motera teny amin’ny toerana voalaza etsy aloha ny fiara tsy mataho-dalana, ka izao tra-doza izao.

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici