- Publicité SW45 -
samedi, décembre 21, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFanafihana eto Toamasina renivohitra: Olona efatra voasambotra, misy ny mpitandro filaminana

Fanafihana eto Toamasina renivohitra: Olona efatra voasambotra, misy ny mpitandro filaminana

PR sy ny polisy nitafa tamin’ny mpanao gazety .

Niantso mpanao gazety ny fampanoavan’ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina, sy ireo lehiben’ny polisy eto Toamasina omaly atoandro, nentin’izy ireo nanazavana ny zava-misy mikasika ny fanafihana mitam-piadiana eto Toamasina matetika tato ho ato ity. Araka ny fanazavana dia olona efatra no voasambotra mikasika izany amin’izao, ka tao anatin’izay nahita mpitandro ny filaminana (zandary ?) sy olon-tsotra. Ambodiombvy no nahatrarana azy ireo izay tsy nolazaina ny toerana nahatrarana azy. Hatreto anefa dia ny telo amin’izy ireo no mandalo famotorana lalina ataon’ny polisy nahasambotra azy, ka tamin’izany no nahalalana fa mpîtandro ny filaminana ny telo tamin’izy ireo raha olon-tsotra ny iray hafa. Naharay oronam-peo milaza ireo mpampanofa basy sy lalana fitsoahana raha ay manafika ihany koa ny polisy sy ny fampanoavana, ary eo ampanaovana fanadiadiana mikasika izany izy ireo amin’izao fotoana izao. Araka ny fanazavana dia ireo mpitandro ny filaminana no mpanome basy ireo jiolahy sy mpanoro ny llana fitsoahana aorian’ny fanafihana, satria tamin’ny fahatrarana azy ireo dia basy maromaro koa no sarona miaraka amin’ny bala fampiasa aminy. « Tsy hamelanay ny zavatra toy izao », araka ny nambaran’ny tonia mpampanoa lalana eto Toamasina, satria tena fahavalom-bahoana sy ny firenena mihintsy, ka tsy maintsy tohizana ny fanadiadiana ary ato lalina mba hamantarana ny tohiny rehetra mikasika ity fanafihana mitam-piadiana mirongatra tampoka eto Toamasina ity. Amin’ity raharaha ity ihany koa ny mpitandro filaminana tokony hametraka filaminam-bahoaka indray no lasa fahavalmom-bahoaka ka tsy azo ekena ny toy izao hoy hatrany ny lehiben’ny fampanoavana eto Toamasina. Araka ny fanazavan’ny lehiben’ny fampanoavana Toamasina hatrany dia mbola misy olona hafa karohina ao anatin’izao raharaha izao, ka ho hita eo ny tohin’ny fikarohana azy.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

  1. Iza no mbola sahy andaha fa ny mpitandro filaminana, heverina ho izy, no ati-doha mikatsaka ny tsy fandriam-pahalemana hita etsy sy eroa.
    Iza no fototry ny fahantrana eto anivon’ny Nosy ?
    Tokony tsy maintsy mando onitra mavesatra hatrany izy ireny fa tsy hoe voaraoka fotsiny. Ny mpiray tsikombakomba dia milanja ny vesatra.

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici