- Publicité SW45 -
jeudi, décembre 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversHosoka taratasim-pitsaràna fiara : Olona iray natolotra ny Fitsaràna

Hosoka taratasim-pitsaràna fiara : Olona iray natolotra ny Fitsaràna

Jly Reribake Jeannot, Tale jeneralin’ny DGSR, notronin’ireo mpiara-miasa taminy, nandritry ny fankalazàna ny fetin’ny asa teo.

Hentitra ary tsy handefitra na amin’iza na amin’iza ny Tale Jeneraly, mpitantana vaovaon’ny Foibe Fitsaràna  fiarakodia (Dgsr), araka ny teniny, raha mahakasika fandikan-dalàna sy resaka kolikoly eo amin’ity orinasam-panjakana tantanin’ny zandarimariam-pirenana ity. Tao anatin’izay, roa volana latsaka kely dia efa nisy olona iray sahady voasambotra, noho ny resaka fanaovana hosoka taratasim-pitsaràna fiara, araka ny fanazavana azo. Tra-tehaka ary noraisim-potsiny ity farany teo amin’ny fisavàna azy ny volana aprily lasa teo, rehefa tsy nisy ireo marika famantarana manokana avy amin’ny Foibe Fitsaràna fiarakodia. Notazomina ary nomena ny  mpitandro filaminana, tompon’andraikitry ny famotorana avy hatrany moa ity farany ary nohenjehina noho ny fanaovana sy fampiasàna hosoka taratasim-panjakana. Taorian’io no natolotra teny anivon’ny Fitsaràna. Raha ny angom-baovao azo dia napetraka eo ambany fanaraha-mason’ny fitsaràna izany olona tra-tehaka nampiasa taratasim-pitsaràna fiara hosoka izany.

Araka ny fanazavana azo dia nametraka paikady vaovao mihitsy ny teo anivon’ny Dgsr, hiadiana amin’ity resaka fanaovana hosoka ny taratasim-pitsaràna fiara ity, indrindra moa fa ilay « procès verbal ». « Efa nasiana marim-pamantarana ny orinasa izy iny ary indrindra misy « QR Code », izay tsy hahafahan’ny mpanao hosoka manao ny asa ratsiny intsony». Mampitandrina ireo izay mbola minia hanao izany ireo tompon’andraikitra fa dia hampihatra lalàna avy hatrany izy ireo.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici