Lehilahy iray manodidina ny 35 taona any ho any no tapaka rantsan-tànana tamin’iny sakoroka afak’omaly tetsy Ambohijatovo iny. Raha ny fantatra dia mpanao tombokase eo amin’ny tohatoha-baton’Antaninarena eo ity lehilahy. Nandritra ity hetsika ity, saika hibata vato izy sy ireo namany, hanakanan-dalàna. Nidoboka anefa ny baomba mandatsa-dranomason’ireo mpitandro filaminana nandrava izany hetsika izany ka rifatra nandositra avokoa ireo olona rehetra, niaraka tamin’ireo namany vitsivitsy nibata ilay vato. Ity lehilahy ity irery no taraiky ka nianjeran’ilay vatobe. Toro tanteraka ny felan-tanany ary tapaka tarangana ny loha-rantsany roa. Nijininika ny rà. Nentin’ireo mpitandro filaminana avy hatrany teny amin’ny toeram-pitsaboana ity tapa-tanana iny. Milaza iretsy voalohany fa tsy maintsy atao aloha ny fitsaboana avy eo mandeha ny famotorana azy. Marihina fa tamin’ny 11 ora atoandro no niatomboka ity hetsika, voalazan’ireo mpitandro filaminana fa tsy nahazoana alalàna ka tsy maintsy nandraisan’izy ireo fepetra ity.
m.L