Nalain’izy ireo tao amin’ny fasam-bahiny ny razana ny alatsinainy alina teo raha maty tamin’ny sabotsy lasa teo. Olona dimy no niditra an-tsokosoko tao ary nandavaka ny fasana ka naka ny razana izay matin’ny pesta. Nentin’izy ireo taxi-brousse, tsy misy fahazoan-dàlana mazava hoazy, ary rehefa nisy ny fanontaniana fa tsy misy na inona na inona fantany. Tao amin’ny toerana antsoina hoe Morodrano Trafonomby no nitondràna ny razana, ao Ambohibary-Antsirabe 2. Na izany aza nivoaka tsikelikely ihany ny marina.Nidina ifotony taty Besorohitra ny manampahefana rehetra miandraikitra ny toerana ary nanamarina. Noraisina avy hatrany ny fepetra dia ny fanentanana ireo olona rehetra nitakosina tamin’ny maty sy ny tanàna nitondràna ilay razana ka nampahafantarana mikasika ny trangan’aretina pesta. Rehefa izany dia nomena fanafody ny olona miisa 60 ary avy hatrany dia nalevina ny razana ary natao anirotra, araky ny toromariky ny dokotera. Mihiboka mandritry ny 15 andro ireo olona rehetra nifampikasoka na nisy fifandraisany tamin’ny razana ary arahin’ny andrimasom-pokonolona maso. Horarahana ranom-panafody avokoa ireo trano rehetra ao Besorohitra ary nanokafan’ny zandarin’Ambohibary fanadihadiana ny havan’ny maty. Pesta eto ny resaka, valanaretina izay mandripaka olona marobe ao anatin’ny fotoana fohy ary sarotra fehezina. Dia tsy mba nisy olona iray nahatakatra izany ve tao anatin’ilay fianakaviana? Lasa loza mitatao amin’izay tanàna rehetra nandalovan’ny razana ankehitriny ity tranga ity. Manarak’izay, tsy nisy mpiambina ve ny fasam-bahiny? Ahoana ny fisavàna teny amin’ny lalam-pirenena? Be loatra ny goragora raha loza mitatao ohatr’izao no afaka nivezivezy. Raha ny marina aza dia toa tratra ihany ny tanjon’ireo fianakavian’ny maty izay namindra ny razana. Saingy ny loza aterak’izay dia tena mampitaintaina fatratra. Mila jeren’ny tompon’andraikitra akaiky ary saziana mafy izay tokony ho saziana…
D.R